TRIDUUM fanokafana ny taona masina ny Jobily ny Famindrampon'Andriamanitra

Raha ny tena marina dia amin’ny Talata hoavy 08 desambra no fanombohana ny fanokafana ny varavarana masina any Roma. Ary amin’ny tantaran’ny Eglizy dia sambasambany amin’ny toerana maro samihafa no ametrahana an’izay fanokafana varavarana masina izay. Nofidin’ny Papa Ray Masina izay fomba izay, fomba manokana, taona masina manokana aza satria tsapany fa mila ny famindrampon’Andriamanitra isika. Asaina hiara-mamakivaky izany taom-pahasoavana manokana izany isika ho fanamasinana koa ny fiainantsika.

Nanokana telo andro ny diosezin'Antsiranana hivavahana indrindra indrindra ho fanokafana izany taona masina ny Jobily ny Famindrampon'Andriamanitra izany ka nanomboka ny zoma faha 04 desambra ka nifarana ny Alahady faha 06 desambra 2015. 

Nankamafisin'i mompera Arseveka tamin'ny fampianarany fa misy zavatra dimy tsy azo sarahina, tsy hoe voalohany na faharoa na fahatelo fa zavatra dimy hoentintsika mivelona amin’izao taona masina izao fa indrindra rehefa manao pèlerinage isika, afaka manantena sy mahatoky fa hahazo famindrampo mitafotafo dia tsy inona izany fa ny « indulgence plènière »,araky ny hafatry ny Papa.
Dimy fototra ary ho ampitainareo amin’ireo manodidina atsika ka hivelomantsika an’izay taona masina izay :

- Ny fanaovana ny fivahiniana masina
- Ny fitsaohana ny sakramenta masina
- Ny vavaka atao miaraka amin'i Papa Ray Masina
- Ny fankalazana ny sakramentan’ny famindrampo dia ny fampihavanana
- Ny fankalazana ny Eokaristia

 Tsindrio eto hamaky ny toriteny tamin'ny lamesa niarahana ny zoma andro voalohany fanokafana

 Tsindrio eto hihaino ny toriteny Zoma faha 04 desambra

  Tsindrio eto hihaino ny fampianarana Asabotsy andro faharoa fanokafana 

 

zoma04deszoma04des [339 Kb]
10/12/2015

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*