ANDRO KATOLIKA HO FIAROVANA NY VOAARY - Sabotsy 27 febroary 2016

Mgr Rabemahafaly Fulgence arsevekan'ny Fianarantsoa miaraka amin'ireo Eveka rahalahiny amin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny fifandraisan’ny mpiara-belona, ny Vaomieran’ny Eveka momba ny fampianarana sy ny fanabeazana katolika, ny Vaomieran’ny Eveka momba ny asa fanirahana ataon’ny lahika, dia manentana antsika rehetra manerana an’i Madagasikara hanamarika ny “andro katolika ho fiarovana ny voaary” ny zoma 05 sy  sabotsy 27 febroary 2016, hifarimbona amin’ny fanatanterahana ny fitarihan’ny Papa Ray masina, Fransoa, hiaraha-mikolokolo sy manatsara ny “Tranobe Iombonana” na ny tany onenantsika an-dalam-paharavàna ity. 

Ka ny ASABOTSY FAHA 27 FEBROARY dia ANDRO KATOLIKA HO FIAROVANA NY VOAARY “izay mandoro tanety mamono taranaka ary izay mambolo hazo manome aina”. Misy HETSIKA iombonana manerana an’i Madagasikara.
(Tsindrio eto hamaky ny hafatra mikasika ny hetsika atao)

Entanina manokana koa isika fa ao anatin'ny vavaka hasivian’andro iomanana amin’ny fitsarana kanônika ampandrosoana an’i Lucien Botovasoa hatao ny 1° marsa io 27 febroary io.
(Tsindrio eto hanao  VAVAKA HO FANAMBARANA OLOSAMBATRA AN’I LUCIEN BOTOVASAO NO SADY FANGATAHANA FAHASOAVANA)

 

 

22/02/2016

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*