JMJ CRACOVIE 2016 - HAFATRY NY PAPA FRANSOA HO AN’NY TANORA ANDRO MANERAN-TANY

Ry tanora malala,

Tonga eto amin’ny dingana famaranana ny fivahinianana masina mankany Cracovie isika amin’ny volana jolay ho avy izao ; toerana hankalazantsika miaraka ny andrò maneran-tanin’ny tanora andiany faha-31. Teny an-dalana nandehanantsika, izay sady lava no sarotra, dia notarihin’ny tenin’i Jesoa notsoahina tao amin’ny « Lahateny tany an-tendrombohitra » isika. Natombotsika ny dia tamin’ny 2014, nandinihantsika niaraka ny fahasambarana voalohany : « Sambatra ny mahantra am- panahy, fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra »(Mt 5, 3). Lohahevitra tamin’ny 2015 ny hoe : « Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy » (Mt 5, 8). Mandritra ity taona diavintsika ity dia manaiky entanin’ny andinin’ny Soratra Masina manaraka hoe : « Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy » (Mt 5, 7).  

 

 

Tsindrio eto hamaky ny tohin'ny HAFATRA

02/03/2016

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*