Famangian'ny Arseveka Mgr Benjamin Ramaroson ny Malagasy tao Paris

Voalohan-taona tahaka izao no fandalovan'ny Arserveka mitsidika ireo zanaky ny arsidiosezy avaratra sy ny paroasy malagasy ao Paris. Sorona masina no nanamarihana ny fitsidihana  ary faranana amin'ny fanalana hetaheta..Izao no hafatra :

Faly mihaona amintsika mianakavy indray amin’ny alalan’ity gazetintsika ity. Miarahaba antsika jiaby tratry ny taona vaovao 2017. Vaovao ny taona raha ny fontsika vaovao izany hoe fo onenan’Andriamanitra ka tsy feno zavatra maro mi “encombré” azy toa ny fitivantena, fialonana, avonavona, lainga, fitapitaka….
Raha mahatsikaritra tokoa isika ireo toetra ireo dia mampitodika antsika mandrakariva amin’ny lasa ary indrindra mitondra korontana sy herisetra eo anivon’ny fiainana andavanandro. Vaovao ny fontsika raha fitiavana, finoana, fanentanana, fahamarinana… no mameno ny fiainantsika. Filaminana, fandriam-pahalemana, fihavanana no vokatra entin’ireo toe -panahy ireo.
Nanomboka tamin’ny Alahady faha-2 mandavantaona dia nasain’ny Eglizy nandinika isika ka nametra-panontaniana hoe : “Iza marina i Jesoa eo anivontsika ?”.
Miankina amin’ny valin’io fanontaniana io no hahafahantsika manova ny fontsika ho fo vaovao. Manampy antsika amin’izany ny fampianaran’i Jesoa teny an-tendrombohitra izay natomboka tamin’ny Alahady lasa teo ny fandalinana azy.
Md Matio izay vakintsika amin’ity taona A ity dia nampianatra ny vahoaka Jody. Nangoniny arakaraky ny lohahevitra ny fampianaran’i Jesoa sy ireo famantarana ary fahagagana nataony mba hanampy izay mamaky azy hino fa i Jesoa tokoa no ilay Mesia nandrasan’ny vahoaka Jody. Jesoa tokoa no famonjena ary Izy Mpiara-belona amintsika, miara-dàlana amintsika. Hiezahantsika àry ny handray an’izany fampianarana izany amin’ny alalan’ny fandalinam-pinoana ataontsika amin’izao vaninandro mandavantaona izao. Mirary soa anareo hanatanteraka izany. Ankinintsika amin’i Masina Maria Renin’ny Famindrampo ny ezaka ataontsika. Mitsodrano anareo. Mivavahà ho ahy.

Mompera Eveka Benjamin Marc Ramaroson, cm

08/02/2017
  • Marie Angela Rabemanantsoa

    MIsaotra mamangy anay Mgr Ray malala, fa mankahery anay miraotra vilona aty an-tany lavitra, mampahatsiaro anay fa olo araiky atsika jiaby. Miavavaka ho anao izahay no mifampivavaka isika

    08/02/2017 17:14

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*