NY NISEHOAN’NY TOMPO na EPIFANIA
Mbola ao anatin’ny fankalazana ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andrimanaitra ho nofo isika ka rehefa avy nankalaza ny fetin’ny Fianakaviana Masina tamin’ny Alahady heriny dia mankalaza ny Epifania kosa androany. Alahady izay natokana hivavahana sy hiderana an’ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo ka niseho miharihary fa Izy no Mesia, Tompo sy Mpamonjy an’izao tontolo izao. Ny teny hoe « Epifania » rahateo dia midika ho fisehoan’Andriamanitra miharihary amintsika olombelona ka nahatonga ireo Majy avy tany Atsinanana hitsaoka sy hanome voninahitra azy araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fankalazana manetriketrika izao.........(tsindrio eto hamaky ny toriteny)



