FEHIN-KEVITRA TAMIN’NY FIVORIANA ARA-POTOANA NATAON’I JUSTICE ET PAIX MADAGASIKA

Antanimena, 22-25 Novambra 2022


Ho an’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga eto amin’ny firenena,
Ho an’ny vahoaka malagasy sy ireo olona tsara sitrapo.
Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompo !
Izahay 26 mianadahy avy, pretra sy lahika, solontenan’i Justice et Paix avy amin’ny Diosezy rehetra manerana an’i Madagasikara izay tarihan’i Monsenera Benjamin Marc RAMAROSON, eveka mpiahy ny Vaomiera, noho ny iraka ampanaovin’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, dia nanantanteraka fivoriana ara-potoana faharoa teto Antanimena ny 22 ka hatramin’ny 25 Novambra 2022. Ny fivoriana moa dia niompana amin’ny zavamisy momba ny zon’ireo zaza sy olona tsy manana Sora-pahaterahana, ny momba ny fananan-tany sy ny harena an-kibon’ny tany, ary indrindra ny olana ateraky ny tsy fisian’ny fandriampahalemana manerana ny Nosy.......(tohiny)

05/12/2022

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*