HAFATR’I PAPA FRANSOA fankalazana ny ANDRO faha-55 maneran-TANY NY FIADANA

HAFATR’I PAPA FRANSOA
AMIN’NY fankalazana ny ANDRO faha-55 maneran-TANY HO AN’NY FIADANANA

1 janoary 2022

 

“Fifampiresahana eo amin’ny olona rehetra, ny fanabeazana sy ny asa: fitaovana entina manorina ny fiadanana maharitra”

 

  1. “Endrey ny hatsaran’ny famindran’ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly dia ny fiadanana” (Iz 52,7)

            Milaza fampiononana ireo tenin’i Izaia mpaminany ireo, sento mampitony an’ireo vahoaka voasesi-tany, reraka noho ireo herisetra sy fanandevozana ary saron’ny fahafaham-baraka sy ny fahafatesana mihitsy aza. Nametram-panontaniana i Baroka mpaminany: “Ahoana sy ahoana ange, ry Israely, ity ianao no aty amin’ny tanim-pahavalo; ka reraka aty amin’ny tanin’ny firenen-kafa, sy mandoto tena amin’ny maty ka atao ho anisan’izay efa tafiditra any amin’ny Seoly?” (3, 10-11). Ho an’ireo olona ireo dia midika ho fahaterahan’ny fanantenana ao anatin’ny fotoan-tsarotry ny tantara ny hafatr’ilay iraka mitory fiadanana ary fiantombohan’ny hoavy mamirapiratra......[ tsindrio eto hamaky ny tohiny]

30/12/2021

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*