MBA HAINAO NDRAIKY ?

Famintinana ny niandohan'ny EOV DIASPORA any Eropa

Andra araiky zay, nisy olo nanagna menimeny hamory ny zanaka diosezy avaratra mipetraka aty andafy, nefa tsy hainy tsarabe karakory atao hagnatanteraka zegny. Nandeha ny taogno, maro irô mompera boaka avaratra nandalo teto nefa tsy nisy ny tegna nipetraka indrindra tamin’ny faritra parisy (région parisienne). Kay tonga ny fotoagna, tamin’ny taona 2004 nandalo tao parisy i mompera Trisoka Michel zay efa nodimandry amin’izao, vonona hitsodrano ny tokantranon’ny malagasy araiky mipetraka ao faritra parisy ka nanararaotra tamin’izay niantso ireo malagasy boaka avaratra, ampolony teo no afaka navy ka niaraka nankalaza ny sorona masina. Nifaranagna tamin’ny kora-mbe sy sakafo ny fety ka nifanakalo hevitra tamizegny no samy nagnambara hafaliany fa tsara sy meva ny midera Zagnahary amin’ny tenindrazagna teny avaratra ka nifampilaza fa tsara tohizagna e.
Nimpody nifankahita fo ireo tafaran’ny lamesa io fa tsy mbola nisy raha nazava. Ka nagnampy tamin’ny firosoana ny fahatongavan’ny pretra Justin (diosezy Port-Bergé) nianatra taty, izy koa efa nikoragna taminazy dia tegna vognono izy hagnampy ny zanaka malagasy avaratra ara-pagnahy, ka alô antsika hamory olo hoy izy. Dia natao ny lamesa voalohany tamin’ny 19 marsa 2006, ka niisa 80 teo ho eo ny malagasy tonga avy amin’ny arsidiosezy avaratra. Dia nanontaniagna ny olo jiaby navy tao raha tiandrô ny hitohizany, ka mazava ho azy fa samy tia ny ambiance niarahagna ka vognono aby. Ka noho ny fieritreretana fa maro be zahay dia tsy maintsy nitady fomba ny hahatomombagna azy tsara sy hisian’ny lamigny ka nikasa hanorina fikambanana. Tontosa moa izany tsôta fanjava taty afara ka nomena anarana hoe « A.DI.A.MA.DA » izany hoe ArsiDIosezy Avaratra MADAgasikara.

Ny fihaonana lamesa indray mandeha isambolana no nieritreretina tamin’ny voalohany satria miahy ireo izay olo tsy afaka mamonjy lamesa isan’Alahady noho ny asa na antony maro samy hafa. Nefa taty afara niampy ho famonjiagna ny traboina, ny madinika sy ireo izay mangataka fanampiana avy amin’ny lafy valon’ny arsidiosezy avaratra izay mampiombona ny diosezy Fenoarivo, Toamasina, Mahajanga, Ambanja, Port-Bergé ary Antsiranana. Ka ny sehatra nampiana dia ny sekoly, ny orphélinat, ny dispensaire, ny hopitaly, ny fanaovana fitiliana diabète na ny tension sns….

Teraka ny arsidiosezy Antsinanana (archidiocèse Toamasina) tamin’ny février 2010, tsy nisaraka ny mpikambana na nisintaka ho mahaleo tena ny faritra antsinanana io fa ny agnaran’ny fikambanana no nihavaozina ka tonga A.DI.A.A.MADA (ArsiDIoszey Avaratra sy Antsinanana MADAgasikara). Ny « association » moa dia mbola mitohy, efa 16 taona no nisiany, managna ny rafitra maha fikambanagna azy ary région parisienne no misy ny siège.

Tao anatin’ny fifandraisana tamin’ny fikambanana io no teraka ny hetahetan’ny Zanaky ny diosezy avaratra mba handray anjara amin’ny « denier du culte »  amin’ny diosezy ka niresaka tamin’i Mgr Benjamin, ka natomboka izany tamin’ny taona 2017, isan-taogno rehefa mandalo aty Europa ny eveka dia mamory anay zanaky ny diosezy avaratra mipetraka parisy ary isaorana koa ny fanentanana ataon’i Dédé sy masera Rose de Lima fa nihitatra ny fandraisana anjara hatrany Marseille sy Belgique ka mandefa ny adidiny mba hivondrona amin’ireo mipetraka ao amin’ny faritra parisy.
Ny vola voahangona taty afara dia tsy nalefa amin’ny foiben’ny diosezy eky fa natao hagnifagna ny site internet sy ny webradio ny diosezy hebergé aty andafy. Fahasoavan’Andriamanitra aby ny raha miseho amin’ny fianantsika, tsy afaka nandalo i Mgr Benjamin nandritra ny korontanavirus, ka nitsiry ny hevitra hanao visio miaraka aminy mba hifankahita ka tanteraka zegny tamin’ny volana marsa 2022, naronaro antsika no nandray anjara, ka vokatry ny fihaonana voalohany tamin’izegny no nitsirian’ny hevitra maro ka nahatonga antsika amin’izao pelerinajy ny zanaky ny diosezy avaratra miaraka amin’izy Ray aman-dReny Mgr Benjamin izao, teraka ny EOV DIASPORA, tsy tanjona fa dingana ka ankinintsika amin’Andriamanitra sy Jesoa Kristy zokintsika miaraka amin’i Masina Maria Notre-Dame de Lourdes, ny fihaonana mba hitondra vokatsoa sy hahafahantsika tsiaraikiaraiky handray an-tagnana hiaigny ny maha Eglizy Olona Velona,
ZAHO VITA BATEMY MAGNEKY IRAHIGNY …….

03/02/2023

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*