FILAZANA MANJO

Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan-ko velona no ampandrenesana antsika rehetra, fa nantsoin'ny Ray hody any Aminy, ny Alahady faha 11 Desambra 2022, i Mompera ANDRIANJAKA Francisco, 

 teraka tamin’ny 13 septambra 1983 tao Ambilobe namasinana pretra tamin’ny 6 Aogositra 2017 tao Antsiranana,

Hoy:
- Son Excellence Monseigneur Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,
- Son Excellence Monseigneur Michel Malo, Arseveka Emerite
- Révérend Père Jean Claude Vial sy Révérend Père Jaomamy, Vikera Jeneraly
- Ny Fianakaviamben’ny Pretra rehetra eto amin'ny Diosezin’Antsiranana
- Ny Relijiozy sy ny Voatokana lehilahy sy vehivavy ato amin'ny Diosezin’Antsiranana
- Ny kristianina rehetra EOV eto Andapa niasa farany - Ny Kristianina rehetra EOV ato amin’ny Diosezin’Antsirana
- Ny Ray amandreniny Abdourahim sy Fenozara Bernadette sy ny Fianakaviana nipoirany.

Ny Razana dia andrasana ao amin’ny Katedraly Fo Masin’i Jesoa ka ny Eokaristia fisaorana an’Andriamanitra sy fanoavana veloma farany azy hatao ny Talata 13 Desambra 2022 amin'ny 02 ora tolakandro, mialoha ny hametrahana azy ao amin’ny toerana hiandrasany ny fitsanganan-ko velona “Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany” (Jn 15, 13).

16/12/2022

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*