HAFATRY NY FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA - FEBROARY 2022

HO FIOMBONANA AMIN’IREO HAVANTSIKA AMIN’NY FARITRA MARO…

Miombona amin’izy ireo isika ka aoka asehoantsika izany. Io tokoa ny toe-panahin’ny Sinaody : Eglizy Miara-dia.


“Mifampitondrà entana ianareo ary dia ho tanterakareo amin’izany ny lalàn’I Kristy” (Gal 6,2)


ANTSO HO AN’NY KRISTIANINA KATOLIKA REHETRA VITA BATEMY
Manolona ny voina mihatra amin’ireo mpiray tanindrazana amintsika izay hitantsika sy rentsika amin’ireo haino aman-jery isan-karazany, ho tohin’ny taratasy fiombonana nalefanay Eveka ny 6 Febroary 2022 lasa teo nanentananay ny tokony hiraisantsika hina hitsinjo ireo sahirana, dia manao izao fanentanana izao izahay hanehoantsika mivantana ny voin-kava-mahatratra.
Hisy arak’izany ny rakitra sy fanomezana hafa ataon’ny tsirairay isam-piangonana ,Alahady 1,haingana arak’izay azo hatao ka hangonina any amin’ny diosezy mba harotsaka any amin’ireo diosezy nisy ireo niharam-boina goavana. Ankoatr’ireo ny vavaky ny maro hiombonantsika hanakambanantsika ny fijaliantsika amin’ny an’I Kristy. Sady maneho ny fiombonana isika amin’izany no manome amin’ny fomba hita maso ny voatsirambin’ny tànana. Iezahantsika atao ny hanome am-pitiavana.
Mahatoky ny fitiavantsika izahay Eveka ary faly sahady amin’ny fiombonantsika amin’ireo havantsika mijaly sy niaram-boina.
Mitso-drano anareo rehetra ary misaotra amin’ny fahafohizana.


Natao teto Antananarivo anio 8 Febroary 2022


Mgr Fabien RAHARILAMBONIAINA
Filohan’ny fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara

16/02/2022

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*