Ho antsika Olo Araiky Jiaby EOV

 Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan-ko velona no ampandrenesanantsika Olo Araiky Jiaby EOV fa nantsoin’ny Ray hody any Aminy ny Alatsinainy 29 mars 2021, rehefa nahazo ny Sakramenta fanomen’ny Eglizy ny zanany i Mompera FANIVANA Jean Michel ( 06 Juillet 1962- 29 Mars 2021) rehefa nivahiny 59taona teto an-tany, ary 29 taona naha Pretra azy (16 Août 1992). Nahavita ny pakany izy niaraka amin’I Jesoa no tompoiny sy ny toriny tamim-pinoana, tamim-panantena ary tamim-pitiavana ka matoky isika fa ny Famindrampon’Andriamanitra hitsena azy ary izy hivavaka ho antsika mbola mivahiny eto antany  

Ankinintsika ambavaka izao voina manjo antsika izao.  Hifampivavaka miaraka amin’i Masina Maria, Md Josefa Ray Mpiaron’ny Eglizy Erantany sy Olts Lucien Botovasoa

29/03/2021
  • Marie Angela

    Mandria am-piadanana mompera, misaotra Andriamanitra tamin'ny asa fanompoana ny vahoakan'Andriamanitra vitanao, hitsena anao a-paradisa anie ny anjely

    29/03/2021 15:42

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*