Alahady 15 novambra 2015 - Alahady Faha – 33 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

Miditra tsikelikely amin’ny famaranana ny taona litorjika isika. Ny Alahady Faha-33 tsotra Mandavan-taona no anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay iresahan’i Jesoa indrindra ny amin’ny hiverenany amim-boninahitra....

Onjam-peo hiainoana ny vakiteny sy ny toriteny isan'Alahady

Onjam-peo hiarahana amin'ny Radio Faniry. Nanomboka tamin'ny 15 Aogositra 2014, andro ankalazana ny nampakarina an'i Masina Maria tany an-danitra dia manolotra tsy tapaka isan'Alahady ireo vakiteny atolotry ny fiangonana sy ny toriteny, fampianarana avy amin'i Mgr Benjamin Ramaroson. 

Izany rehetra izany dia hita ao amin'ity rohy manaraka ity : 
https://www.facebook.com/pages/Page-Olo-Araiky-Sika-Jiaby

  

 

Alahady 15 novambra 2015  

 Alahady Faha – 33 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

  

  Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra Miditra tsikelikely amin’ny famaranana ny taona litorjika isika. Ny Alahady Faha – 33 tsotra Mandavan-taona no ankalazaina androany ka anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay iresahan’i Jesoa indrindra ny amin’ny hiverenany amim-boninahitra. Rehefa manakaiky ny famaranana ny taona litorjika tahaka izao tokoa ny Fiangononana, dia ireo Tenin’Andriamanitra mahakasika ny farandro no arosony hodinihintsika mba hiomanantsika amim-pitoniana ny amin’ny fahatongavan’izany fotoana izany.   Ankafaliana no anasana atsika hihaino ireo vakiteny atolotry ny Eglizy sy ny fampianarana avy amin'ny Raiamandreny Eveka