Fanazavana ny LOGO FAMINDRAMPO

Fary lava vaniny io ka mamy tokoa, averimberina fa mahasoa. Hanazava mikasika ny logo ny famindrampo. Io logo io no mamintina ny hevitry ny taona masina ary maniraka atsika hanao ny rehetra hianana mandritra an’izay taona masina izay. Ovale fa tsy boribory ny logo. Eo amin’ny ovale io no misoratra hoe : « Mamindra fo tahaka ny Ray ». Izay no hafatra amin’io sary io. 
Jesoa hitantsika amin’ny sary io dia endrik’Andriamanitra mpamindra fo, famindrampon’Andriamanitra, na isika mpanota baben’i Jesoa koa dia asain’Andriamanitra ho mpamindra fo tahaka azy. Ny olona anankiroa amin’ny sary io izany dia i Jesoa sy isika mpanota, hitantsika amin’izany fa samy mpanota isika ary i Jesoa izy ilay mifantsika amin’ny hazo fijaliana no mibaby ny fahotantsika, izay ny vaovao mahafaly amin’izao taona masina izao ary anasana atsika..... (tsindrio eto hamaky ny fanazavana rehetra)

29/12/2015

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*