Firariantsoa taom-baovao 2016 avy amin'ny Ray amandReny Arseveka

Ankafaliana sy ankaravoana no iarahabana atsika olo araiky jiaby tratrin'izao asaramanitra izao ka nahavita ny taona 2015 ary miditra amin'izao taona vaovao 2016 izay fantatrantsika katolika erantany fa taona masina manokana ny jobilin'ny famindrampon’Andriamanitra araka ny niangavian'i Papa Ray masina azy ary niantsoany tsy hoe atsika kristianina katolika rehetra ihany fa ny olona rehetra eran'izao tontolo izao, ny olona tsara sitrapo. Faly sy ravo miarahaba atsika tratrin'izao taona masina 2016 izao ary mirary soa ho antsika tokoa ho taompahasoavana, ho taona masina tokoa anie ity taona vaovao ity izay hovakivakintsika ity ka ny tsodranon'Andriamanitra, ny andon'ny lanitra anie ho eo anivontsika mandrakariva..... (tsindrio eto hamaky ny firariantsoa)

31/12/2015

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*