Ry kristianana havana raha tamin’ny Alahady lasa teo atsika nankalaza ny Epifania izany hoe Andriamanitra niseho tamin’ny olona, niseho tamin’ny firenena rehetra, dia mbola anatin’ny Noely isika, Andriamanitra eto anivontsika, Emanoela. Izay ihany koa izao Alahady ankalazantsika ny Batemin’ny Tompo izay Alahady hamaranantsika ihany koa ny fotoan’ny Noely. Ny Batemin’ny Tompo dia mbola fanehoan’Andriamanitra fa eo anivontsika izy, ary ny batemy noraisintsika dia azo lazaina fa Noely ihany koa. Marina fa ny Paka no asongadina amin’ny batemy izany hoe fialantsika tamin’ny fanandevozan’ny fahotana tahaka ny nanandevoza ny vahoakan’Andriamanitra tany Ejipta namakivaky ny tany efitra ka nandalo ny ranomasina mena. Ny batemy dia fandalovana sy famakivakiana koa an’izay efitra izay ka mitondra atsika amin’ny tany nampanantenaina. Ny tany nampanantenaina amintsika dia isika mandova ny mahazanak’Andriamanitra atsika, izay ny batemy amintsika fa azo lazaina ihany koa fa fanehoan’Andriamanitra .....(tsindrio eto hamaky ny toriteny)