FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Alahady 06 Marsa - Alahady 4 KAREMY taona D

Efa mananontanona sy manakaiky tokoa ny paka, hiakatra an’i Jerosalema isika. Ho tonga amin’ny fotoana hiakarana mankany la montagne isika ka enga anie hiakatra koa ny fontsika hihavao sahady isika ka ny fon’Andriamanitra tokoa ny fo ilay  mitepo ao amintsika. Ka na dia eo aza ireo fahotana, isika mivadibadika noho ny fahotana, noho ny toetrantsika izay dia fantaro fa Andriamanitra dia vonona mandrakariva handray atsika. Na dia mafy hatoka aza isika, na dia miovaova aza isika dia Andriamanitra tsy mivadika mandrakizay. Izay no voalaza ao amin’ny bokin’I Josoe (Jôs. 5, 9a. 10-12) amin’ny vakiteny voalohany, na dia eo aza atsika mivadibadika, ny toetran’ny vahoakan’Israely dia hafaliana ho an’Andriamanitra no nanafaka ny vahoakany tany amin’ny fanandevozana tany Ejipta ka zary hafaliana ho azy ny miaraka amin’ny vahoakany. Izany tokoa, na dia eo aza ireo toetrantsika efa maha-menatra ary heverintsika f’efa tsy mendrika isika dia fantaro fa Andriamanitra vonona mandray atsika mandrakariva izy ary io toetrantsika io no habaribarin’I Jesoa ao amin’ny Evanjely (Lk. 15, 1-3. 11-32) : Isika miova ary indrisy aza mitady hitovy amin’Andriamanitra, izay ny fahotan’i Adama sy Eva, isaky ny manota isika dia manapotika ny fahasoavana nomen’Andriamanitra atsika.....Tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 28 Febroary - Alahady 3 KAREMY taona D

Tian'ny Eglizy amin'izao Alahady fahatelo ny karemy izao, miainga amin'ireo vakiteny masina arosony amintsika, manambara fa tsy avy amin'Andriamanitra velively ny loza sy ny fahafatesana. Tsy nahary loza na fahafatesana izy fa nahary fiainana, nanolotra ny ainy ho antsika ary nohariany hitovy endrika aminy isika ka noho izany tsy avy amin'Andriamanira velively fa vokatry ny fahotana, vokatry ny fisarahantsika amin'Andriamanitra. Raha misaraka amin'Andriamanitra isika dia aza gaga raha miha-potika ity tranobe iombonantsika sy ity tany mamintsika ity. Entanina atsika rehetra amin'izao vanim-potoan'ny karemy izao mba hiverina tokoa isika, hitodika amin'Andriamanitra isika, hametraka an' 'Andriamanitra amin'ny fiainantsika ka amin'izay, voalohany miova ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra, faharoa miova ny fifandraisantsika amintsika samy olombelona ary miova ihany koa ny fifandraisantsika amin'ireo voaary sy ny tontolo manodidina atsika ka hirindra ny fiainantsika. Aoka ary isika hiady ary hiroso hanara-dia an'i Kristy amin'izao fiomanantsika amin'ny Paka izao, hiakatra tsikelikely isika ho an'ny Jerosalema. Enga anie izao vanim-potoana lehibe amin'ny karemy izao, hanararaotra an'izao tokoa isika hiverina amin'ny Tompo, hibebaka hiala amin'ny toetra ratsy ka hiditra amin'ny fiainam-baovao ao amin'ny Tompo ....Tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 21 Febroary - Alahady 2 KAREMY taona D

Tamin’ny Alahady lasa teo nasongadintsika fa tsy maintsy Ady sady Dia ny fiainantsika fa indrindra moa amin’izao karemy izao. Nibanjina manokana ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesoa tany an’efitra isika izay fakam-panahy fototra amin’ny fiainantsika dia tsy inona izany fa ny kibo no zary Andriamanitra ka lasa fitiavan-tena no manjaka ary dia manapotika ny hafa isika. Ny fikatsahana fahefana no mikiky ny fiainantsika ka herisetra no manjaka; ka noho ny fialonana dia manjary manapotika ny hafa noho izay fikatsahana fahefana izay.

Noho ny fitadiavana voninahitra izay ao anaty fontsika ao dia manapotika ny fiainantsika andavanandro isika ka mahatonga an’ireny avonavona sy fialonana ireny izay maha-very fanahy mbola velona atsika. Ny fandraisana ny teniny, ny fanetren-tena ary ny fikatsahana mandrakariva ny voninahiny no làlana handresentsika an’izany fakam-panahy izany. Tsy maintsy mibebaka isika fa indrindra amin’izao taona masina ny famindrampo sy amin’izao karemy izao...Tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 14 Febroary - Alahady 1 KAREMY taona D

Amin’izao vanim-potoan’ny karemy izay 40 andro hiomanantsika amin’ny fankalazana ny Paka, efa natombokantsika izany tamin’ny Alarobia ny lavelona teo, atoron’ny Eglizy amintsika ary amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra amin’izao Alahady voalohany Karemy izao dia tsy maintsy ADY sy DIA no iarahantsika amin’i Kristy hitondra atsika amin’ny fitsanganan-ko velona sy amin’ny Paka izay. Tsy mahagaga ary raha ny Evanjely androany mitantara ny fakam-panahy izay azo lazaina fa nanjo an’ i Jesoa ihany koa tany an’efitra dia ilay ady tsy maintsy natrehin’ny Tompontsika  teo anatrehan’ny demony alohany hirosoany hitory ny vaovao mahafaly ho an’ny vahoaka. Raha fintinina ireo fakam-panahy izay niatra tamin’i Jesoa dia fakam-panahy telo izay fototra mamatotra atsika mandrakariva; ADY sady DIA ary mpanota isika miloloha lanitra ka mety ho lena, mandia tany ka mety ho solafaka. Isanandro vaky isika no miatrika an’ireo fakam-panahy natrehin’i Jesoa. Fa izy manoro antsika ny fomba fialàna amin'izany.... Tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alarobia fanosorana LAVENONA

Miditra amin'ny vanim-potoananan'ny karemy isika hiomanantsika amin’ny Paka.
40 andro andalinantsika bebe kokoa an’izay hoe fahatsapana fa mpanota isika ka mila ny famindrampon’Andriamanitra ary i Jesoa no endriky ny famindrampon’Andriamanitra. Aoka izao 40 andron’ny karemy izao hanatonantsika an’Andriamanitra.  Mihavana re amin’Andriamanitra, sokafy ny fontsika mba ho fo misy an’Andriamanitra. Raha mihavana amin’Andriamanitra tokoa isika,  raha apetrantsika eo anivon’ny fiainantsika Andriamanitra, raha mitoetra ao ampontsika tokoa Andriamanitra izay no tena fibebahana marina.  Handray ny tenin’Andriamanitra isika dia i Kristy hanilo ny fiainantsika. Raha ny fahazavan’i Kristy no manio ny fiainantsika ka na hamakivaky ny tany efitra aza isika izany hoe ao ny fihafiana, ao ny sedra isankarazany, ao ny fakam-panahy dia hitantana atsika amin’ny tany nampanantenaina izy.... (tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny)

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny