Ry Kristianina havana, ankafaliana ankaravoana tokoa no anolorana ny fiarahabana, ny firariantsoa amin'izao Paka izao, raha misy ny fankalazana ho antsika Kristianina dia ny Paka no farantampony satria ao no fototry ny fiainantsika sy ny finoantsika dia i Kristy tafatsanga-ko velona ka faly manolotra ny fiarahabana sy firariantsoa ho antsika rehetra tsy ankanavaka na mpivavaka na tsy mpivavaka, na kristianina na tsy kristianina fa fototry ny fiainana maha-olombelona no ankalazaintsika amin'izao Paka izao, nandresy ny fahafatesana i Kristy. Fantantsika fa io fahafatesana io no olana farantampony amintsika, misy la clé sy vaha-olana izy ankehitriny satria nandresy ny fahafatesana ny zanak'Andriamanitra. Fantatr'Andriamanitra fa izany tokoa no tena olana amintsika olombelona ary mitady vaha-olana mikasika ny fahafatesana io isika olombelona. Iray ihany ny "solution" dia i Kristy tafatsanga-ko velona........Tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny