Ry kristianina havana, anio alahady faha telo amin'ny paka miditra amin'ny Paka, miditra amin'ny fiainana andavanandro isika, ary izay no asain'ireo vakiteny ho saisainintsika, ho raisintsika amin'izao Alahady izao. Tsy mitsahatra isika mamerina fa eo anivontsika tokoa i Jesoa ary i Jesoa velona, olona velona miara-dàlana amintsika, miatrika ny fiainantsika. Miaraka amin'i Jesoa isika, izay no tian'ny Eglizy ho tsapantsika amin'ireo vakiteny voafidy amin'izao fotoan'ny Paka izao. Eo anivontsika tokoa i Jesoa nitsangan-ko velona, i Jesoa zanak'Andriamanitra ary na dia mafy aza ny fiainantsika afaka mandresy ny ratsy miaraka aminy isika ka afaka manorina tany vao sy lanitra vao araka ny hira ataontsika : "Ô nivoha ny varavaran'ny lanitra teo anatrehan'ny Tompo". Isika olombelona nieritreritra, nanonofy mba hahazo an'izay lanitra vao izay dia tanteraka izany raha miditra ao amin'i Jesoa isika ary ny fon'i Jesoa afindrany amintsika. Izay koa no antenaintsika sy irintsika fa indrindra amin'izao taona masina ny famindrampo izao....Tsindrio eto hamaky ny toriteny...