Amin'izao Alahady faha-enina ny Paka izao dia mifanojo amin'ny voalohany volana Mey, andro hibanjinana mikasika ny asa sy ny mpiasa. Raha ny tantara dia izao voalohany volana Mey izao no natokan'ny fiangonana ho an'ireo mpiasa sy ireo mpiandraikitra an'izany ary ankalazana manokana an'i Masindahy Josefa mpiaro ny mpiasa. Izy izay namelona ny fianakaviana masina tao Nazareta dia izay koa no mahatonga atsika fa indrindra amin'izao taona masina izao hivavaka ho an'ny lohan'ny fianakaviana rehetra, ho an'ny lehilahy rehetra amin'izany fetin'ny Md Josefa mpiasa izany. Hivavahantsika mba hanana ny asa sahaza azy avy ny tsirairary ary hivelona ao anatin'izay asa izay [.....]