Miditra amin'ny vanim-potoananan'ny karemy isika hiomanantsika amin’ny Paka.
40 andro andalinantsika bebe kokoa an’izay hoe fahatsapana fa mpanota isika ka mila ny famindrampon’Andriamanitra ary i Jesoa no endriky ny famindrampon’Andriamanitra. Aoka izao 40 andron’ny karemy izao hanatonantsika an’Andriamanitra. Mihavana re amin’Andriamanitra, sokafy ny fontsika mba ho fo misy an’Andriamanitra. Raha mihavana amin’Andriamanitra tokoa isika, raha apetrantsika eo anivon’ny fiainantsika Andriamanitra, raha mitoetra ao ampontsika tokoa Andriamanitra izay no tena fibebahana marina. Handray ny tenin’Andriamanitra isika dia i Kristy hanilo ny fiainantsika. Raha ny fahazavan’i Kristy no manio ny fiainantsika ka na hamakivaky ny tany efitra aza isika izany hoe ao ny fihafiana, ao ny sedra isankarazany, ao ny fakam-panahy dia hitantana atsika amin’ny tany nampanantenaina izy.... (tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny)