Ry Kristianina havana, amin'izao Alahady fahefatra iomanantsika aminy fahatongavan'ny Tompo izao, ireo tenin'Andriamanitra dia mampiditra atsika tanteraka amin'ny fankalazana ny Noely dia tsy inona fa Andriamanitra eto anivontsika, ary izay Andriamanitra eto anivontsika izay ny vaovao mahafaly ny Noely ka ny tenin'Andriamanitra manomana ny fo amam-panahintsika fa indrindra moa amin'izao taona masina Famindrampo izao ka hanana ny toetran'i Masina Maria anie isika, haka tahaka an'i Masina Maria rehefa nandray ny vaovao mahafaly.
Vao nankalaza ny valo desambra isika tsy ela izay nampiditra atsika amin'ny taona masina izao, hitantsika fa i Masina Maria dia entanim-pinoana, entanim-panantenana, entanim-pitiavana nandeha namangy an'i Elizabeta rahavaviny. Maro ny rahavavintsika amin'izao andro iainantsika izao, mila ny famonjena avy amintsika, mila hanambarantsika ihany koa ny vaovao mahafaly. Tsy hoe nisalasala i Masina Maria ...... (tsindrio eto hamaky ny toriteny)