Alahady izao dia mankalaza ny Sakramenta masina ny Vatana aman-dRan'i Kristy isika. Sakramenta dia famantarana hita maso sy ren'ny vatantsika mampahazo ny fahasoavana. Hain'Andriamanitra ny mahatsara sy mahasoa atsika raha manam-pinoana isika. Ny finoana anefa tsy tany malemy hanorenam-pangady ny finoana fa tany lonaka hiasan'ny fahasoavan'Andriamanitra ka hampamokatra sy hanitarany ny fanjakany. Raha misy tokoa ny finoantsika dia hain'Andriamanitra ny manova ny fiainantsika izay ao anatin'ny hery setra sy vonoan'olona, ao anatin'ny fitapitaka sy lainga izao. Raha ao amintsika Andriamanitra dia ho tany lonaka tokoa ity tanànantsika ity, ilay Eglizy fiombonana, ilay Eglizy fototra sy iraka ary ilay fianakaviana Eglizy kely dia hanjary Fo mitepo ka hanome aina an'ity tanànantsika ity. ...Tsy hoe hanao fanjakazakana na fireharehana isika haneho hoe izahay mahavita an'izao, izahay manana an'izao... Tsy izany ny Eglizin'i Kristy fa ao anaty fanetrentena, ao anatin'ny fanompoana [....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny