FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Alahady 25 septambra 2016 - ALAHADY FAHA-26 TSOTRA MANDAVANTAONA D

Ry olon’Andriamanitra, katsaho ny fahamarinana, ny fahazotoa-mivavaka, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana, ny fahalemem-panahy

 Ry kristianina havana,  mbola tohizantsika amin'izao mandavantaona izao ireo fanoharana nentin'i Jesoa ampitaina ny hafatra mikasika ny fiainantsika maha-Kristianina izany hoe ny hivelomantsika mpanara-dia azy ka hahaizantsika mampitraotra ny finoana sy ny fianana andavanandro. Amin'izao Alahady faha-26 mandavantaona izao dia ny fanoharan'i Lazara sy ilay mpanankarena no atolotry ny Eglizy amintsika. Azo lazaina fa ireo vakiteny telo dia mifanaraka amin'ilay hafatra tiana hampitaina amintsika dia ny mba hivelomantsika ny finoana eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Fampianarana telo no tiana hasongadina androany : - ny voalohany : inona ny anjara toeran'ny harena eo amin'ny fiainantsika andavanandro ? - ny faharoa : inona ny hoavy ? - ny fahatelo : ny fahaizana mihaino ny tenin'Andriamanitra..[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 18 septambra 2016 - ALAHADY FAHA-25 TSOTRA MANDAVANTAONA D

Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo

Ry kristianina havana,  amin'izao Alahady faha-25 manadavantaona izao dia mananatra atsika ny tenin'Andriamanitra aroson'ny Eglizy ho sakafom-panahy hamelombelona ny finoantsika hahafahantsika hahay hampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro. Mananatra atsika ireo tenin'Andriamanitra ireo hahay hampiasa ny vola na ny marimarina kokoa hahafantatra tsara ny anjaran'ny vola eo amin'ny fiainana, tsy inona fa ny vola dia atao hanompo fa tsy tompoina, atao hifanasoavana ny vola fa tsy atao hanapotehana ny fiombonana sy ny fihavanana. Indrisy anefa fa amin'ny adim-piainana isankarazany amin'izao vaninandrontsika izao, dia efa lasa Andriamanitra mihitsy ny vola ka izy no tompoina ..[....] 

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 11 septambra 2016 - ALAHADY FAHA-24 TSOTRA MANDAVANTAONA D

Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebeka

Amin'izao Alahady faha-24 mandavantaona izao dia asongadin'ireo vakiteny amintsika fa Ray aman-dReny tsy mahafoy zanaka Andriamanitra. Isika no be siasia ka te handeha amin'ny varavarana malalaka any amin'ny fahaverezana ka manadino an'Andriamanitra fa izy kosa Ray be famindram-po. Ny tadiavin'Andriamanitra dia isika hiverina aminy, hanokatra ny fontsika aminy, hitoetra eo an-tongotr'i Jesoa, handray ny  fahendren'Andriamanitra. Izany tokoa ry Krisitianina havana no matetika mahatonga atsika very lalana satria isika tsy mihaino an'i Jesoa, tsy manokatra ny fontsika amin'ny famindrampon'Andriamanitra, tsy mandray ny fampianaran'i Jesoa fa mirona amin'ny fampianarana izay mahatonga atsika very fanahy mbola velona ka tsy mahita intsony ny lalan-kombana...[....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

Alahady 04 septambra 2016 - ALAHADY FAHA-23 TSOTRA MANDAVANTAONA D

Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro

Ry kristianina havana, raha tamin'ny Alahady lasa teo nampisongadina fa raha te-hiditra ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra isika, ho olo araiky ao aminy dia tsy maintsy manahaka an'i Jesoa, Izy izay Andriamanitra dia nanaiky nanetry tena nidina farany ambany hoy Md Paoly ao amin'ny taratasy ho an’ny Filipiana. Natitranterintsika fa tsy maintsy manana fanetren-tena sy halemem-panahy isika ary izay ny fanahafana an'i Kristy. Toetra anankiray ambaran'i Jesoa koa amin'izao Alahady izao dia ny fahafoizana, tsy hanana an'izay toetra izay isika raha tsy manetry tena sy malemy fanahy. Izay tia dia mahafoy hoy i Jesoa. Toetra lehibe tsy maintsy hananantsika izany raha tiantsika ny hifanasoa, hikatsaka ny soa iombonanana, io no mitondra atsika amin'ny fiombonana tanteraka ao amin'i Jesoa. [........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 28 Aogositra 2016 - ALAHADY FAHA-22 TSOTRA MANDAVANTAONA D

Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra

Ry Kristianina havana amin'izao Alahady faha-22 mandavantaona izao ny votoatin'ireo tenin'Andriamanitra izay halalinintsika fa indrindra moa anatin'ny mandavantaona fandalinam-pinoana isika izao. Tsy inona ary ny toetra fototra tsy maintsy ananantsika ary hitantsika taratra amin'ireo izay nivelona an'izay hoe fampitrahofana ny finoana sy ny fiainana andavanandro izany  izay tsy mora satria tsy mifanaraka amin'ny fahendren'izao tontolo izao dia ny FANENTRENTENA. Io no votoatin'ireo vakiteny aroson'ny Eglizy androany. Ny fahendren'izao tontolo izao no mampianatra atsika ny fireharehana fa ho an'ny zanak'Andriamanitra, ny mpanara-dia an'i Kristy dia ny fanentrentena no làlana tian'i Kristy ambara amintsika...[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny