Hisy olona avy any Atsinanana sy avy any Andrefana hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ny fampianarana androany Alahady faha-21 mandavantaona izao dia manatitrantitra fa noharian'Andriamanitra ho fianakaviana iray eto an-tany isika no fianakaviana iray any an-danitra. Ny vakiteny voalohany dia manambara amintsika fa antsoin'Andriamanitra hiverina sy hiombona aminy ny firenena rehetra ho olo araiky ao aminy na ny avy atsimo, na ny avy avaratra, na ny avy antsinanana na ny avy andrefana dia hiombona ho iray ao amin'Andriamanitra ary izay ny voninahitr'Andriamanitra. Noharian'Andriamanitra isika ho ao aminy. Ry Kristianina havana, Andriamanitra dia mikatsaka mandrakariva ny hahasoa atsika, izao anefa tsy maintsy mahay mamaly ny antsony isika ..[......]