"Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”
Ry Kristianina havana, mitohy ny diantsika mamakivaky ny vanim-potoana manokana lehibe hiomanantsika amin’ny fahatongavan’ny Tompo. Izao vanim-potoana izao anie no aoka mba hampamokatra ny fontsika, ho finoana mamokatra ho an’ny manodidina atsika. Harena lehibe ny finoana, harena isika tsirairay avy ka aoka hamokatra tsara isika.
Fomba ahoana ary ny hamokarantsika ? Aoka ho feno fitiavana - Aoka ho feno fanantenana - Aoka hanapa-kevitra isika fa tsy hanao ampitso lava - Aoka hibanjina bebe kokoa ny fiainan’i Joany Batista [........]