VOAANTSO HO AN’NY FANANTENANA ISIKA
Amin’izao karemy izao dia "ADY sady DIA" mitondra atsika amin’ny Paka, raha miara-maty amin’i Kristy amin’ny fahotana isika, ADY iainantsika amin’izao karemy izao, dia hiaraka hitsangana amin’i Kristy izany no DIA ho an’ny amin’ny Paka fitsanganan-ko velona. Ny litorija fa indrindra ireo vakiteny henointsika dia hanampy atsika amin’izany ADY sy DIA izany mba tsy ho very fanantenana isika. Ry Kristianina havana fantantsika fa mety mafy ny ADY hatrehina, mety tsy zaka ny DIA satria mavesatra. Ambaran’ny litorjia sahady amin’izao Alahady faharoa ny karemy izao fa ny tanjona miandry atsika dia i Kristy nitsangan-ko velona. Fihavaozana no andrasantsika, izany no tena dikany fiovan’i Jesoa tarehy teo an-tendrombohitra..[.......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny