FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Alahady 07 Febroary - Alahady tsotra faha-5 mandavantaona D

Amin'izao Alahady faha-dimy mandavantaona izao ary dia miantso atsika Andriamanitra eo anivon'ny fiainantsika. Enontsika ao amin'ny Evanjely ny fomba niantson'i Jesoa an'ireo Apôstôly, mpanarato izy ireo, ary tao anaty fahasahiranana aza. Niasa izy ireo nandritra ny alina ary tao anatin'ny fanaratoana izay nefa tsy namokatra. Izay tokoa ry Kristianina havana, raha tsy miaraka amin'i Kristy isika, aza mieritreritra fa hamokatra. Izay no mahatonga ahy milaza amintsika matetika fa indrindra amin'izao taona famindrampo izao hoe : aoka ho fantarintsika fa ny finoana tsy tany malemy hanorenam-pangady fa tany lonaka ho entina hampamokatra ny fiainantsika, izay ny finoana. Araka ny enontsika tamin'ny Evanjely fa teo anivon'ny fiainana, teo anivon'ny fahasahiranana ireo apôstôly, ry Simona mpanarato, tsy namokatra ny fiainany, ka raha tonga i Jesoa nandray azy izy ireo ary naniraka azy ireo i Jesoa. Tsy hoe nandeha ho azy izay fa nisalasala aza i Piera, hoy indrindra izy : "noho ny teninao dia alatsako ny harato".... Tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

02 Febroary - Fankalazana manetriketrika ny Nanolorana ny Tompo

40 andro lasa izay isika no nankalaza ny Noely, ny nahaterahan’ny Tompo izany hoe Andriamanitra famindrampo eo anivontsika ary izay no ankalazaintsika amin’izao andro 02 febroary ity, andro iray toa zato ankalazantsika an’i J esoa natolotra tao an-tempoly araka ny fomba jody ary mampibaribary ihany koa fa nankatò ny lalàna ampahibemaso ny zanak’Andriamanitra ary porofon’izany ireo tao  an-tempoly dia voalohany i Josefa sy Maria ary ny mpaminany antitra dia tsy iza fa i Ana sy Simeona nidera sy nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny fahasoavana tonga teo anivontsika ka nanolotra azy teo anivon’ny vahoaka, nanambara azy ampahibemaso ary izay koa no ankalazaintsika androany. Ny tenin’Andriamanitra izay banjinintsika amin’ity andro anio ity dia mampatsiahy an’izay, ny bokin’ny Malakia mpaminany (Mal. 3, 1-4)  amin’ny vakiteny voalohany dia manambara  fa efa tonga tokoa ny Tompo, eo anivon’ny Tempoly izany hoe eo anivontsika ary dia mizara amintsika ny hazavana, ny fahasoavana : “Indro Aho, haniraka ny irako; ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-Tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo”. Indro ary ny Tompo eo anivontsika tokoa izy amin’izao taona masina izao, taona masina ny famidrampo ka aiza isika ? manokatra ny fontsika ve isika ?.....Tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 31 Janoary - Alahady tsotra faha-4 mandavantaona D

Ry Kristianina havana, amin’izao alahady faha-efatra mandavantaona izao, asain’ny Eglizy isika amin’ny alalan’ireo vakiteny mba hahatsapa fa eo anivontsika tokoa Andriamanitra ary tsy mizaha tavan’olona izy fa miantso atsika hiombona aminy. Ary izay no nahatonga ny Papa amin’izao taona masina izao hiantso an’ity taona ity ho taonan’ny famindrampo hiantson’Andriamanitra atsika mba ho eo anivontsika tokoa izy ka amin’izay ireo sakasakana rehetra dia hiova, mba ho fahafahana ka hivelatra bebe kokoa ny maha-olona atsika, ny fiainantsika. Izay no tanjona amin’izao taona masina famindrampo izao. Miantso atsika izy tahaka ny niantsoany an’i Jeremia, tsy ny fahamendrentsika no tadiavin’Andriamanitra fa ny fontsika. Raha mandray azy isika dia ho azy izay fontsika izay ka isika indray no hitondra ny vaovao mahafaly eo amin’ny mpiara-belona ary hanambara tahaka an’i Jeremia ny fahasoavan’Andriamanitra eo anivontsika ary hizara ny hafalian’ny vaovao mahafaly ka ho ambarantsika eo amin’ny fiainantsika izany.....(tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny)

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 24 Janoary - Alahady tsotra faha-3 mandavantaona D

Ry Kristianina havana, raha tamin’ny Alahady teo isika nanomboka ny vanim-potoana andavanandro anatin’ity taona famindrampon’Andriamanitra ity dia mampisongadina fa tsy irery isika amin’izany làlampianantsika izany miatrika ny fiainana, miatrika ny zava-misy sy ny mety ho fijaliana sy fahoriana ary ny sedra fa miaraka amintsika lalandava ilay Reny tsy mahafoy dia i Masina Maria. Izy no manelanelana atsika, mivavaka ho antsika, mangataka amin’i Jesoa araka izay mahasoa atsika amin’ny fiainantsika. Niantitranterintsika ireo siny enina izay entintsika mamakivaky ny taona, novan’i Jesoa ilay rano tsy misy tsirony ho zary divay mamelombelona ka mameno ny fiaianantsika ho feno hafaliana tahaka ny fampakaram-bady tao Kana satria araka ny nanoritantsika azy, ny fakamparam-bady, ny mariazy dia tandindon’ny hafaliana izay miandry antsika .....tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 17 Janoary - Alahady tsotra faha-2 mandavantaona D

 

 

 

Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo dia nankalazantsika ny batemin'ny Tompo ary nandinihintsika ihany koa amin'izao taona masina izao ny dikan'ny batemy. Napetrantsika ny fanontaniana hoe: nataonao inona ny bateminao? fa indrindra amin'izao taona  masina ny famindrampo izao. Ka manomboka izao ary ny Alahady tsotra mandavan-taona hamakivakiantsika an'ity taona masina ity ka handalinantsika bebe kokoa an'izay famindrampon'Andriamanitra izay, Andriamanitra mitoetra eto amintsika Emanoela no anarany, Andriamanitra tsy lavitra ny Andriamanintsika no sady famindrampo ary i Kristy no endrik'izany. Izay indrindra ary ry Kristianina havana no atolotr'ireo vakiteny amin'izao Alahady izao.
Ny zavatra kasain'Andriamanitra dia tokana :
ny hahasambatra antsika ary izay no antony nahatongavany eto anivontsika sady manaporofo fa maimaim-poana ny fitiavan'Andriamanitra ka anjarantsika no manokatra ny fontsika handray an'izay fanomezana maimaim-poana izay. Maro samy hafa hoy Masindahy Paoly ny fanomezan'Andriamanitra fa anjarantsika kosa no mahay mandray azy. Izay no dikan'ny fankalazana manetriketrika ny famindrampon'Andriamanitra izao mba ho tsapantsika tsirairay, ho tsapantsika olombelona izay hasarobidin'ny famindrampon'Andriamanitra omeny antsika maimaim-poana, omeny tsy misy takalo fa anjarantsika no mampamokatra azy eo amin'ny fiaianantsika..... tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny

 

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny