FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Alahady 04 Jiona - PANTEKÔTY - taona A

MPANKAHERY SY MPANAZAVA ARY MPAMPIHAVANA, NY FANAHY MASINA

Amin'izao Pantekôty izao dia azo lazaina fa fankalazana ny fahaterahantsika vita batemy izany hoe sady mahatsiaro nahaterahantsika ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra sy olo araiky ao amin'Andriamanitra isika no mankalaza ny fahaterahan'ny Eglizy. Araka ny averimberintsika matetikany fankalazana tsy hoe fahatsiarovana fotsiny fa noho ny asan'ny Fanahy masina izay ankalazaintsika androany, dia miditra tanteraka amin'izay fankalazana izany isika. Sambatra isika ry Kristianina havana fa namaly ny antson'Andriamanitra. Tsy manery antsika Andriamanitra fa ny safidintsika no mahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra. Miantso antsika izy, manolotra ny Fanahy masina izy, manolotra ny finoana izy, fanomezan-dehibe no atolotr'Andriamanitra ho antsika ka anjarantsika no mandray an'izany fanomezana izany amin'ny famaliana ny antsony....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 28 May - Alahady PAKA 7 - taona A

NY FIAINANA MANDRAKIZAY DIA NY MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA
 Ry Kristianina havana, mbola ao anatin'ny hafalian'ny Paka isika izao. Tamin'ny Alakamisy lasa teo isika no nankalaza ny fiakaran'i Jesoa any an-danitra izany hoe nankalaza fa nisy havantsika tafita ary dia mbola anatin'ny hafaliana amin'izany isika amin'izao Alahady fahafito ny Paka izao. Efa manampy antsika hiroso bebe kokoa amin'ny fandalinana an'i Jesoa Mpiara-belona izany fibanjinana an’I Jesoa tafita izany. Tsy iza tokoa i Jesoa amin'izao vanim-potoana iainantsika izao fa isika Kristianina, isika no Jesoa mpiara-belona amin'ireo manodidina antsika ...[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAKAMISY 25 MAY 2017 - I JESOA KRISTY NIAKATRA ANY AN-DANITRA

OMANO NY HIVERENAN’NY TOMPO

Androany isika miara-mankalaza ny niakaran'ny Tompo any an-danitra, ity fankalazana ity dia azo antsoina hoe fitsanganan-ko velona ihany koa izany hoe endrika isehoan’ny  hafenoan'ny paka, tena mbola anatin'ny vanim-potoana ny paka isika.

Ny vakiteny amin'izao fankalazantsika ny fiakarana izao dia mampibaribary fa mpiara-belona amintsika tokoa i Jesoa. Manomboka amin'izao dia eo anivontsika tokoa izy ary ivom-piainantsika. Izany no antony nampanantenainy an'ireo mpianany raha nilaza hoe rehefa lasa aho ka hidinan'ny Fanahy masina ianareo dia ho vavolombeloko hatrany amparavazantany...[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 21 Mey - Alahady PAKA 6 - taona A

Tsy havelako ho kamboty hianareo, fa hankaty aminareo aho

Efa herinandro maromaro isika no nivelona ny hafalian'ny Paka izay manambara an'i JESOA ilay mpiara-belona amintsika eo anivontsika tokoa izy ary mampibaribary ny fitiavan'Andriamanitra amintsika. Efa manakaiky ny faramparan'izao vanim-potoana lehibe ny Paka izao isika satria  Alahady fahaenina androany ary afaka andro vitsivitsy dia hankalaza ny fetin’ny Niakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra isika.
Nandresy tokoa izy ka eo ankavanan'Andriamanitra Ray, avy any izy araka ny tenin'Andriamanitra androany no mandefa ny Fanahy masina mba hitohy izay asa nataony tsy inona fa ny asam-pamonjena ..[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 14 Mey 2017 - ALAHADY PAKA 5 - TAONA A

« Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako » 

Tsy fitadiavana toerana ny finoana fa fametrahana ny anjara toerana maha zanak'Andriamanitra an’i Jesoa. Raha ny marina izany i Jesoa no manamboatra ny toerany ao amintsika ao ka àry esorintsika hiala ireo “encombrement” rehetra ireo “Hanamboatra toerana ho anareo aho, ka izay misy ahy no hisy anareo”. Ao ampontsika ao izy ka ny fontsika amin'izay dia fon'Andriamanitra, izay hiainantsika eto no hianantsika any an-danitra. Nilaza i Jesoa “IZAHO NO LALANA SY FAHAMARINANA ARY NY FIAINANA” ...[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny