MAHATOKY ANDRIAMANITRA KA RESEO NY TAHOTRA
Ry Kristianina havana, tapitra tamin'ny fankalazantsika tamin'ny fomba manetriketrika ary nataontsika tanatin'ny procession ny fankalazana ny Vatana sy Ra masin'i Kristy sakramenta masina ireo vanimpotoana manokana ka miditra tanteraka amin’ny mandavantaona isika izao. Fotoana handalinantsika ny finoana. Alahady faha-12 mandavantaona izao, azo lazaina fa na manao akory ny adim-piainana tsy maintsy atrehina, na manao akory ny fiainana mety manahirana, na dia mety ho tonga aza ny hoe very fanahy mbola velona ka tsy ho hita intsony izay aleha dia fantaro fa tsy miova Andriamanitra, efa nanolotra an'i Jesoa izy ary izy no làlana sy fahamarinana sy fiainana ka aoka tsy hatahotra isika hahatoky an'Andriamanitra ...[.....]