« Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran’ny ondry »
Amin'izao Alahady fahaefatra izao dia i Jesoa mpiandry ondry tsara no ankalazaintsika izay hahatsiarovantsika manokana ireo izay mpiara-dia sy manokana ny fiainany manontolo ho an'i Jesoa. Tsy midika akory izany fa ny lahika vita batemy tsy mpanara-dia azy, rehefa vita batemy isika dia mandray an'i Kristy eo anivontsika fa ireo pretra, ny eveka, ny papa sy ireo mpandraharaha rehetra no heverintsika ho mpiandry ondry tsara.
Tsy araky ny fomba fieritreretantsika hoe mpiandry ôndrikôndriky na tsy "magnaja" araka ny fomba fitenintsika aty avaratra. Magnaja i Jesoa ary nanolotra ny ainy izy, miombona amintsika izay ondriny tiany izy. Izany koa no andrasana amin'ireo izay nanolotra ny ainy ho mpiara-dàlana amin'i Kristy dia ireo pretra sy ny voatokana rehetra ....[......]