ANTSOIN’NY TOMPO HANKEO AMIN’NY FANASANY ISIKA
Amin'izao Alahady faha 28 mandavantaona izao dia antsoin'Andriamanitra isika amin'ny fanasana lehibe iombonana aminy ka hazahoantsika ny tena hasambarana ary efa mampitsinjo antsika sahady amin'ny fiafarantsika koa. Averimberintsika matetika fa ady sady dia ny fiainana, ADY amin'ireo fakam-panahy manapotika sy mitady handrendrika antsika, tsy hahaizantsika mandavorary ny fiainantsika, tsy hahazoantsika ny tena fiadanana sy ny hasambarana, DIA mankany amin'ny tena fiainana, dia ny fiainana maha zanak'Andriamanitra ka hanasan'ny Tompo antsika ankehitriny ..[......]