FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

21 Janoary - ALAHADY TSOTRA FAHA-3 - TAONA B

“Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”.

Tamin’ny Alahady faharoa mandavantaona lasa teo isika nilaza fa miroso amin’ny lalindalina hatrany hitoetra ao amin’i Jesoa ary izy hitoetra ao amintsika ka hamokatra be isika izay anasana antsika amin’izao taombaovao izao, samy nantsoin’Andriamanitra isika tsirairay avy ka ilaina mba hamokatra amin’ny fiainantsika. Amin’izao Alahady fahatelo mandavantaona izao kosa dia antintraterin’ireo vakiteny telo fa fotoana tsara izao sady vaninandro mitondra fahasoavana avy amin’Andriamanitra. Miantso antsika Andriamanitra mba hihavao sy hiala amin’ny toetra ratsy. Araka ny fitenin-drazantsika ny tarehy ratsy no tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo hovana. Izany rahateo ny vontoatin’ny tenin’Andriamanitra androany. Ny toetra ratsy sy ny toe-panahin’ny fiainantsika dia irin’Andriamanitra ho tsara. Izany koa no irintsika sy antenaintsika amin’izao taona vaovao izao .....[.......]

 

14 Janoary - ALAHADY TSOTRA FAHA-2 - TAONA B

SAMY NANTSOIN’ANDRIAMANITRA TSIRAIRAY ISIKA

Amin’izao Alahady tsotra faharoa mandavantaona fanombohan’ny taona izao no  idirantsika tanteraka amin’ny fandalinam-pinoana araky ny teny faneva eto amin’ny diosezy hoe : “Mitoera ao amin’i Kristy satria izay itoeran’i Kristy dia mamokatra be. Raha mamokatra be ianareo dia ho lavorary ny hafalianareo sy ho feno fiadanana tanteraka ianareo”.
Ny vakiteny telo ampitainy Eglizy amintsika androany dia miresaka an’Andriamanitra miantso antsika tsirairay satria tiany isika ary ao anatin’izany hafaliana izany sady tiany hamokatra. Isika rahateo mangetaheta mba hanana ny fiadanana sy ny hasambarana ka maniry isika mba hamokatra ny fiainantsika sy hamokatra be dia be tsy ho antsika ihany fa ho an’ny firenentsika, ho an’ny fianakaviantsika, ho an’ny Eglizintsika ......[........] 

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

03 Desambra 2017 - ALAHADY FIAVIANA 1 - TAONA B

« Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana » (Mk. 13: 33)

Raha mamerina kely isika ny hoe “Avent, na fiaviana” dia tsara ny mamaritra amin’ny fomba tsotra fa misy fiaviana telo. Tadidintsika tsara fa ny fankalazana ho antsika dia sady fahatsiarovana no mahatonga antsika koa noho ny asan’ny Fanahy Masina mivelona an’izany fankalazana izany. Mankalaza ny fiaviana isika manomboka androany Alahady voalohany fankalazana fiaviana izao ka hamakivakiantsika 4 herinandro ny vanim-potoanan’ny fiaviana ka mitondra antsika amin’ny Noely. Matoa isika entanin’ny Eglizy mankalaza an’izany dia ny mba hibanjinantsika ny fiaviana telo : Ny fiaviana voalohany izay nandrasan’ny vahoakan’Andriamanitra ka tanteraka tamin’ny fahatarehana sy fahatongavan’i Jesoa ho nofo izany fiaviana izany sy fahasoavana ho an’izay nahay nandray azy, anisan’izany i Masina Maria, i Md Josefa, ireo mpiandry ondry ary ireo vahoaka madinika. Ary nisy koa ireo tahaka an’i Heroda izay tsy nanokatra ny fony ka tsy nandray an’i Jesoa Kristy mpanjaka.  Ny fiaviana faharoa dia izao iainantsika izao amin’ny alalan’ny Sakramenta. Ny fiaviana fahatelo dia andrasantsika amin’ny fomba manetriketrika i Jesoa miverina amin’ny voninahiny.....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

26 novambra 2017 - ALAHADY TSOTRA FAHA 34 - MANDAVANTAONA A

NY HAMPANJAKA AN’I KRISTY NO MAHA-KRISTIANINA ANTSIKA

Ny fampanjakana an’i Kristy eo amin’ny fiainantsika no ambaran’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amintsika androany Alahady ankalazantsika amin’ny fomba manetriketrika an’i Kristy mpanjaka izao.

Mpanjaka i Kristy fa tsy araky ny fihevitr’izao tontolo izao satria ny mpanjakan’izao tontolo izao dia mihebohebo, mamoritra, mampihatra ny heriny fa i Kristy kosa mpanjaka fa tsy manapotika fa mpanjaka manompo izy izany hoe mitady izay hahasoa ny vahoakany dia isika izay manaiky handray ny fampianarany sy ny toro-heviny ary ny farantampony dia izy nanolotra ny ainy ho antsika teo ambonin’ny hazo fijaliana...[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

 

19 novambra 2017 - ALAHADY FAHA 33 MANDAVANTAONA A

AHAZOANA HASAMBARANA NY MIASA AMIN-KERIM-PO

Amin’izao Alahady faha 33 mandavantaona izao, asain’ny Eglizy isika amin’ny alalan’ireo vakiteny fa indrindra ny Evanjely hahay hampiasa ireo fanomezan’Andriamanitra amintsika dia ny taletantsika entina handavorariana ny fiainantsika sy hikolokoloantsika ity tranobe iombonantsika ity ka hifanasoa isika hikatsaka ny soa iombonana ary hanatsara mandrakariva ny fiainantsika ary dia hitondra antsika amin’ny hasambarana raha miasa isika amin-kerimpo tokoa amin’izay rehetra ataontsika satria izany  no làlana.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny