Niala tamin-dralehilahy ny habokàna ka nadio izy.
Matetika averina amintsika fa tsy misy kisendrasendra ao amin’Andriamanitra fa asehony amintsika ny fitiavany ka anjarantsika no manana masom-pinoana, sofim-pinoana handray hizara ary hanely ny vaovao mahafaly ambarany amintsika dia ny fitiavany.
Amin’izao Alahady tsotra faha-6 mandavantaona izao dia mifanojo amin’ny fahatsiarovana sy fankalazana ny andron’ny marary izay natokan’i Papa Md Joany Paoly II efa 26 taona lasa izay nisafidy ny 11 febroary ankalazana an’i Masina Maria “Notre-Dame de Lourdes” Toerana feno ireo marary ny ao Lourdes, feno ireo izay maniry ny ho sitrana amin’ny aretina ananany sady mino ny vavaka ataon’i Masina Maria ho azy ireo.
Ry Kristianina havana andro lehibe ho antsika inty andro ity izay hahatsiarovantsika ambavaka ireo marary, ireo tra-pahoriana, ireo izay marofy ary miaraka amin’i Masina Maria isika no manao izao vavaka izao. Araraoty izao fotoana izao hankaherezana ireo marary am-pandriana noho ny antony maro samihafa tsy misy mpikarakara sy ireo marary rehetra koa ho entintsika ambavaka mba ho soa ho tsara ary hahay hanambatra ny fahoriany amin’Andriamanitra ho famonjena an’izao tontolo izao ...[...........]