« Koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina » (Mt. 28: 19)
Amin’izao Alahady manaraka ny pantekôty izao dia antsoin’ny Eglizy hisondrotra lavidavitra kokoa isika dia ny hibanjina ny Trinite Masina (Ray, zanaka, Fanahy Masina) fototry ny fanorenana, izy no modely farantampony, izy no loharano nipoiran’ny fanorenana izany.
Ny lahatr’Andriamanitra tamin’ny voalohany dia isika ho fianakaviana iray ao aminy ka tsy mahagaga raha apetrak’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ho modely amin’ny fiainana rehetra ny fifankatiavana, ny fiombonana, ny firaisan’ny Trinite Masina Ray Zanaka Fanahy masina. Samihafa izy ireo fa mitovy tanteraka, miray tanteraka, Andriamanitra tokana fa olona telo....[.......]