FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Alahady faha-18 desambra 2016 - ALAHADY 4 Fiavian'ny Tompo - Taona A

"Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra”

Ry Kristianina havana raha afaka andro vitsivitsy dia hiaraka hankalaza ny fetin'ny Noely isika, anio tokoa moa ny Alahady faha-4 fiavian'ny Tompo. Matetika isika namerimberina fa ny fankalazana ho antsika dia midika zavatra lalina satria tsy hoe mahatsiaro fotsiny isika fa ny Noely dia Andriamanitra eto amintsika, Emanoela no anarany.  Tsy hoe "anniversaire" n'i Jesoa no ankalazaintsika fa noho ny asan'ny Fanahy masina dia mahatsiaro ilay fiaviana tamin'izany fotoana izany isika  no sady mivelona no miaina an'izany fotoan-dehibe nahatongavan'ny zanak'Andriamanitra ho olombelona ka izao Alahady faha-4 izao dia mialoha an'izany fankalazana izany  [.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady faha-11 desambra 2016 - ALAHADY 3 Fiavian'ny Tompo - Taona A

"Ianao va ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?"

Ry Kristianina havana, mitohy hatrany ny diantsika mankany amin'ny Noely ary azo lazaina fa misasaka ny làlana. Ny tenin'Andriamanitra dia mampitsinjo atsika sahady amin'izay andrasantsika amizay Noely izay amin'izao Alahady fahatelo fiaviana izao. Antsoina izao Alahady fahatelo izao ho alahady hafaliana satria miverimberina matetika amin'ireo vakiteny androany ny resaka hafaliana, izay manentana atsika sahady amin'ny hafaliana entin'ny Noely ...[........]

 Tsindrio eto hihaino  ny toriteny

Alahady faha-04 desambra 2016 - ALAHADY 2 Fiavian'ny Tompo - Taona A

"Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.

Ry Kristianina havana, mitohy ny diantsika mamakivaky ny vanim-potoana manokana lehibe hiomanantsika amin’ny fahatongavan’ny Tompo. Izao vanim-potoana izao anie no aoka mba hampamokatra ny fontsika, ho finoana mamokatra ho an’ny manodidina atsika. Harena lehibe ny finoana, harena isika tsirairay avy ka aoka hamokatra tsara isika.

Fomba ahoana ary ny hamokarantsika ? Aoka ho feno fitiavana - Aoka ho feno fanantenana - Aoka hanapa-kevitra isika fa tsy hanao ampitso lava - Aoka hibanjina bebe kokoa ny fiainan’i Joany Batista [........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady faha-27 Novambra 2016 - ALAHADY 1 Fiavian'ny Tompo - Taona A

 "Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona”

Taona litorjika vaovao isika, rehefa vaovao ny taona dia mifampiarahaba koa faly miarahaba isika tsirairay avy amin'izao Alahady voalohany Fiavian'ny Tompo izao. Ny tenin'Andriamanitra androany dia misarika ny saintsika amin'izany fiaviana sy fahatongavan'ny Tompo izany ka manasa atsika HIAMBINA, HIFALY, HO FENO FANANTENANA [.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 20 novambra 2016 - KRISTY MPANJAKA ALAHADY FAHA-34 TAONA D

Amin'izao Alahady fannkalazana an'i Kristy Mpanjaka no hamaranana ny taona masina Famindrampo izao dia miarahaba atsika olo araiky rehetra, ny fianakaviana, ny ao amin’ny kominaote, ny pretra rehetra sy ny eveka rehetra ary miarahaba koa an’ny Papa satria isaorana izy nanome an’izao hevitra lehibe izao dia ny taona masina famindrampo. Miarahaba atsika na Kristianina na tsy Kristianina, androm-pahasoavana ho atsika izao ary anatin’ny fankalazantsika koa an’i Kristy Mpanjaka, izy tokoa anie hanjaka eo amin’ny fiainantsika. Raha atao amin’ny teny hafa  izao famaranana izao dia  maniraka atsika hampanjaka an’i Kristy eo amin’ny fiainantsika. Izany no antony nofidianan’ny Papa ny andro fankalazana an’i Kristy Mpanjaka no famaranana ny taona masina dia ny mba hidirantsika amin’ny fiainam-baovao misy an’i Kristy manjaka eo amin’ny fiainantsika...[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny