« Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra »
Amin’izao Alahady voalohan’ny Karemy izao dia apetraky ny Eglizy mazava amin’ny alalan’ireo vakiteny fa ADY sady DIA ny fiainana. Averimberintsika matetika izany teny izany ary io tokoa no fiainam-pinoantsika. Izao Karemy izao dia fivelomantsika izany finoana izany satria ny fototry ny finoantsika dia ny fitsanganan’i Jesoa ho velona izay hankalazaintsika amin’ny Paka. Izao no fotoana antenaintsika sy iainantsika izany finoana izany, tsy tany malemy anorenam-pangady ny finoana fa tany lonaka iasan’ny fahasoavan’Andriamanitra ka hamokatra be araky ny sitrak’Andriamanitra isika ary sitrany ny hahavelona sy hahasambatra antsika .....[.......]

