Ho inona re, ity zaza ity? Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.”
Ry Kristianina havana, raha ny marina dia Alahady faha-12 tsotra mandavantaona izao Alahady 24 jiona izao fa mifanojo amin’ny daty ankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny nahaterahan’i Joany Batista ka ny fankazalazana no tanterahantsika fa tsy ny alahady tsotra.
Ny vakiteny aroson’ny Eglizy amin’izao 24 jiona izao dia manampy antsika hibanjina bebe kokoa an’ i Joany Batista izay mpaminany lehibe tokoa ary izany no niantsoan’i Jesoa azy ka ny fahaterahany no dinihintsika androany. Mifanojo koa izany amin’ny fandalinam-pinoana ataontsika araka ny efa naverintsika matetika fa izao mandavantaona izao fa indrindra ny fiomanantsika amin’ny filankevitra pastôraly efa akaiky izao, ny fandalinam-pinoana no hahafahantsika mijery, mamakafaka sy mampiditra am-po ary mivelona ny finoana ka hahaizantsika ny fampitrahaofana ny finoana sy ny fiainana andavanandro ary misy modely arahina amin’izany isika dia i Md Joany Batista.....[.......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny