“ Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika » (Mk. 9: 39)
Tamin’ny Alahady faha 25 tsotra mandavantaona lasa teo isika nanantitrantitra ireo toetra fototra lehibe nahatonga an’i Jesoa nanambara fa tsy maintsy manana ny toetran’ny zazakely isika eo amin’ny fifandraisantsika andavanandro sy nilazany koa fa izay te ho lehibe aminareo aoka izy ho tahaka ny zazakely ary ho vonona hanompo satria izany no làlana hahafahana miroso lalindalina kokoa amin’izay fiainana sy fiombonana amin’Andriamanitra. Averintsika vetivety ireo toetry ny zazakely tsara anana : fitokosina an’Andriamanitra, fahatsorana mitondra amin’ny marina mandrakariva, fahadiovampo. Amin’izao Alahady faha 26 mandavantaona izao rehefa mijery ny zava-misy isika dia mety milaza hoe ahoana àry hanatanterahana an’izany fiovana ho toy ny zazakely izany ? ......[........]