« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny » (Jo. 1, 1)
Bonne fête de Nôel antsika rehetra, enga anie ho Noely hitondra fiadanana, tanteraka izany fiadanan’ny Noely izany raha manome voninahitra an’Andriamanitra ny fiainantsika manontolo. Araky ny fantantsika ao amin’ny vakiteny faharoa taratasin’I Hebrio, efa ela tokoa isika olombelona no maniry sy mangetaheta mba hiova ny fiainantsika, samy nahatsapa fa niova izany fiainana izany raha ilay nahary no eo anivon’ny fiainantsika. Fantatr’Andriamanitra izany hetahetam-pontsika izany. Rehefa nanota isika ka nanome lamosina azy tao amin’ny sahan’I Edena dia tsy najanony tamin’ny maha mpanota antsika isika Andriamanitra fa be famindrampo tokoa izy Ray ka naniraka ny Zanany ho tonga nofo sy hitoetra eto amintsika satria fantany fa tsy afaka mamonjy ny tena samirery isika, tsara ho tsapantsika izany ry Kristianina havana.... [........]