Ry Kristianina havana, androany 24 jiona dia fety roa sosona no ankalazain'ny Eglizy ary fety lehibe dia tsy inona fa ny fankalazana ny nahaterahan’i Md Joany Batista ary ny fankalazana ny Fo madion'i Maria. Mialoha ny fankalazana ny fetim-pirenena no anoloran'ny Eglizy izany fety roa lehibe izany ary matetika isika no milaza fa tsy misy kisendrasendra fa tian'Andriamanitra hanampy antsika handinika bebe kokoa ny zavatra etrehintsika izany rehetra izany.
Angatahintsika amin'ny alalan'i Masina Maria, hangatahintsika amin'ny alalan'i Md Joany Batista mba hahaizantsika manao ENY tahaka an'i Masina Maria izany hoe manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra, tahaka an'i Zakaria sy Elizabeta, tahaka an'i Joany Batista ka hahafahantsika mitondra an'i Jesoa amin’ireo mpiara-belona amintsika...[......]