« Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany »
Efa manakaiky dia akaiky tokoa ny fankalazantsika ny Paka, roa Alahady sisa dia mankalaza ny paka isika ary amin’ny alahady hoavy dia hankalaza ny sampankazo izay mampiditra antsika amin’ny herinandro lehibe, ny herinandro masina. Izao Alahady izao amin’ny toerana maro dia alahady fanaovana pelerinajy izay handinihantsika ny lakroan’i Kristy, miombona amin’I Jesoa amin’ny làlan’ny hazo fijaliana lehibe. Miakatra eny amin’ny la montagne isika manao pelerinajy, entintsika hiakatra ny fiainantsika fa tsy hirefarefa amin’ny tany izay feno lainga sy fitapitaka ary herisetra. Izany rehetra izany no nahafaty an’I Jesoa teo ambony hazofijaliana noho ny etraketrakantsika olombelona....[.....]