FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

01 Septambra 2019 - ALAHADY TSOTRA FAHA 22 - TAONA D

Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra

Raha tamin’ny Alahady lasa teo isika nibanjina ny hoe “isika dia antsoin’Andriamanitra dieny ety an-tany ho fianakaviana iray aminy manomana sahady koa ny maha-olo araiky antsika ao Aminy any an-danitra ka tsy misy avakavaka izany fa ny tadiavin’Andriamanitra dia isika hivelona sahady ety an-tany ny maha zanak’Andriamanitra antsika araky ny nampianarin’i Kristy. Amin’izao Alahady faha-22 mandavantaona dia antitranterin’ny vakiteny fa indrindra ny fampianaran’i Kristy ao amin’ny Evanjely, toetra roa lehibe izay tsy azo ho sarahina, azo lazaina fa toetra mampihavaka ny mpanara-dia an’i Kristy tokoa no ambarany androany dia ny fanentrentena sy ny fahalemem-panahy. Toetra anankiray ihany anefa satria ny olona malemy fanahy tsy maintsy manetry tena ary ny manetry tena tsy maintsy malemy fanahy....[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

07 Jolay 2019 - ALAHADY TSOTRA FAHA 14 - TAONA D

Hitoetra ao amin’izany trano izany ny Fiadanana lazainareo

Araky ny averimberintsika matetika ny fotoana litorjika mandavantaona dia fotoana fandalinam-pinoana. Katolika aho madalina ny finoako, Katolika aho mandray an-tànana ny finoako amin’ny alalan’ny hasim-pinoana sy firosohana ao anatin’ny vaomieran’asa sy fikambanana masina na ny firohotana. Katolika aho ka mankalaza ny finoako amin’ny alalan’ny litorjia, amin’ny alalan’ny “chapelle portable” sy fiainana ny fitiavana ary ny fandraisana anjara isankarazany hanehoana ny fiombonana amin’ny Eglizy. Katolika aho ka zaraiko ny finoako.

Amin’izao Alahady faha-14 mandavantaona izao dia mandalina izany finoana izany isika ka hahatonga antsika ho EOV, Kristy mpiara-belona amin’olona, fahazavana sy fanasina ka hahatonga antsika manorina Eglizy Tranon’Andriamanitra.....[......] 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

23 Jiona 2019 - ALAHADY VATANA SY RA MASIN'I KRISTY - TAONA D

 

« Dia nihinana izy rehetra ka voky » (Lk. 9: 17)

Amin'izao Alahady izao miaraka amin’ny Eglizy manerantany isika no mankalaza ny Vatana sy ny Ràn’i Kristy na koa antsoina hoe “Fête-Dieu” miaraka manao procession isika mankalaza an’Andriamanitra eo anivontsika dia i Kristy izay banjinintsika amin’ny Eokaristia masina. Izany no mahatonga ny olona manao “Fête Dieu”. Izy Andriamanitra tokoa hajaintsika amin’ny Sakramenta Masina no  mitsodrano antsika ary amin’ny alalany sy miaraka aminy ary ao aminy no hahazoantsika ny tsodrano mitondra ny fahasoavana rehetra. Nolazain’i Jesoa tamin’ny alakamisy masina hoe “ Raiso ary hano, fa Vatako ity ho anareo, manaova izao ho fahatsiarovana Ahy” .....[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

16 Jiona 2019 - ALAHADY TRINITE MASINA - TAONA D

« Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra » (Jo. 16: 13)

Tamin’ny Alahady lasa teo isika nankalaza ny Pantekôty dia nilaza hoe enga anie ny fankalazana izany hahatsapantsika ny asan’ny Fanahy Masina izay mampiombona antsika amin’Andriamanitra ka mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra ao amin’ny Trinité Masina.
Izany no ankalazantsika rehefa mandray ny batemy isika satria mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Ny Fanahy masina no mankahery antsika ka na dia eo aza ny olana maro mety mitranga amin’ny fiainantsika ka mahavery fanantenana antsika dia matoky isika satria ny Fanahy nanangana an’i Jesoa ho velona no ato amintsika koa ka feno fanantenana isika ary hamafy izany eo amin’ny mpiara-belona amintsika .....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

02 Jiona 2019 - ALAHADY PAKA VI- TAONA D

" Mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary Izaho ao aminao "

Tamin’ny Alakamisy lasa teo isika no nankalaza manetriketrika an’i Kristy niakatra any an-danitra manambara tanteraka fa nandresy tokoa izy ary an-danitra koa no tanjona ho antsika. Voalazan’i Md Paoly amintsika fa izay misy an’i Kristy no katsaho ary ny misy an’i Kristy dia any an-danitra toerana hasambarana ka izany ny mahatonga antsika milaza sy mino fa any ambony izy any no misy ny fahasambarana. Ny lanitra dia ny fiombonana amin’Andriamanitra. Masina izay miombona amin’Andriamanitra.
Miombona tanteraka ao amin’ny Trinité masina i Jesoa, tsy nisaraka amin’ny Trinité masina izy fa nirahin’ny Ray ho eto amintsika  hanambara indrindra ny fiombonana amin’ny Trinité masina......[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny