« Dia nihinana izy rehetra ka voky » (Lk. 9: 17)
Amin'izao Alahady izao miaraka amin’ny Eglizy manerantany isika no mankalaza ny Vatana sy ny Ràn’i Kristy na koa antsoina hoe “Fête-Dieu” miaraka manao procession isika mankalaza an’Andriamanitra eo anivontsika dia i Kristy izay banjinintsika amin’ny Eokaristia masina. Izany no mahatonga ny olona manao “Fête Dieu”. Izy Andriamanitra tokoa hajaintsika amin’ny Sakramenta Masina no mitsodrano antsika ary amin’ny alalany sy miaraka aminy ary ao aminy no hahazoantsika ny tsodrano mitondra ny fahasoavana rehetra. Nolazain’i Jesoa tamin’ny alakamisy masina hoe “ Raiso ary hano, fa Vatako ity ho anareo, manaova izao ho fahatsiarovana Ahy” .....[....]