NY ANDRIAMANITSIKA: MIZANA BE TSY MIANGATRA
Ry Kristianina havana, ao anatin’ny volana oktobra, volan’ny mission izany hoe handinhintsika manoka maha EOV MISIONERA antsika ary tsy irery isika fa miaraka amin’I Masina Maria mibanjina ireo mistery mandrafitra ny famonjena antsika. Ao anatin’izany no anaovantsika DEPART VAOVAO hirosoantsika miatrika ity KORONTANAVIRUS ity izay naverintsika mitaky “changement radical” fiovam-penitra mahery vaika. Manantena isika fa ho tena Pantekoty vaovao. ADY sady DIA ny fiainana ADY amin’izay ratsy manakorontana sy manapotika DIA mitondra antsika amin’ny fiainana. Fantaro hoy ny Papa François eo anatrahan’izao krizy mafy dia iray alahany na resy io korontana raha mahay miray hina isika na rendrika isika raha samy mandeha samy mitady (io no andikako ny tenin’I Papa tamin’ny audience Générale tamin’ny 23 septembre : soit nous travaillons ensemble pour sortir de la crise, soit nous n’en sortirons ensemble). Io no velabelarany ao amin’ny Taratasy Encyclique “Mianadahy Jiaby isika… : Tutti Fratelli…. Tsy ho tanteraka izany raha tsy miova ny fontsika. Io indrindra no tain’ireo tenin’Andriamanitra amintsika amin’izao alahady faha 29 mandavantaona.......[...........]

