Ry olon’Andriamanitra, katsaho ny fahamarinana, ny fahazotoa-mivavaka, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana,
ny fahalemem-panahy
Ry kristianina havana, nandinika manokana araky ny fampianaran’ny Eglizy ny mikasika ny harena isika tamin’ny Alahady lasa, tsy ny harena no ratsy fa kosa tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Eglizy sy sitrak’Andriamanitra dia ny fomba nazahoana ny harena, ny fomba hampiasana ny harena ary ny tanjona ho tratrarina amin’ny harena. Mamerimberina antsika ary natao ho teny faneva sy filamatra eo anivon’ny sekoly katolika izay manabe amin’ny lafiny rehetra ny maha-olona sy maha zanak’Andriamanitra ny hoe “Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an’ny besinimaro”. Amin’izao Alahady faha 26 mandavantaona izao dia mbola asain’ny Eglizy isika amin’ny alalan’ireo vakiteny handinika tsara fa ny hoavy ihany koa dia miankina amin’ny fomba fijerintsika ny harena......[.......]