I KRISTY NO ZANAK’ANDRIAMANITRA VELONA
Ry Kristianina havamalala, tamin’ny Alahady lasa teo isika nankalaza ny batemin’i Jesoa izay nampahatsiaro ny batemintsika isika : vita batemy ka irahina, izay koa no mampiditra antsika amin’ny vanimpotoana mandavantaona mahatonga antsika hivelona ny batemy fa indrindra amin’izao taona masina ny misiona izao ka mahatonga antsika hirahina, EOV misionera, taona mitondra antsika araka ny averimberintsika matetika amin’ny fankalazana fankalazana ny faha 100 taona FET AFAFI, izany hoe 100 taona ny FET nivelona ny batemy ka nitondra izany amin’ny mpiara-belona, mitondra antsika koa amin’ny fankalazana ny kongresy eokaristika. Eokaristia anorenantsika ny finoantsika, ny finoana no mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra, fanomezan’Andriamanitra ny finoana ka isika no mandray azy, mamaly azy, rehefa mandray azy dia ho tahaka ny voalaza amin’ny tenin’Andriamanitra androany, i Md Joany Batista no manolotra sy manoro ireo mpianany sy ireo tonga teo aminy fa io Jesoa, io Kristy izay midika mpamonjy, mesia, izy no zanak’Andriamanitra,.... [......]