NY HAMPANJAKA AN’I KRISTY NO MAHA-KRISTIANINA ANTSIKA
Ny fampanjakana an’i Kristy eo amin’ny fiainantsika no ambaran’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amintsika androany Alahady ankalazantsika amin’ny fomba manetriketrika an’i Kristy mpanjaka izao.
Mpanjaka i Kristy fa tsy araky ny fihevitr’izao tontolo izao satria ny mpanjakan’izao tontolo izao dia mihebohebo, mamoritra, mampihatra ny heriny fa i Kristy kosa mpanjaka fa tsy manapotika fa mpanjaka manompo izy izany hoe mitady izay hahasoa ny vahoakany dia isika izay manaiky handray ny fampianarany sy ny toro-heviny ary ny farantampony dia izy nanolotra ny ainy ho antsika teo ambonin’ny hazo fijaliana...[.....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny