RENIN’ANDRIAMANITRA SY MPANJAKAVAVIN’NY FIADANANA I MASINA MARIA
Ry Kristianina havana, ho antsika kristianina katolika dia efa nifampiarahaba sy nifampirary soa ny taom-baovao isika taorian’ny fankalazana an’I Kristy Mpanjaka dia tamin’ny alahady voalohany fiaviana no nanombohantsika ny taombaovao litorjika ka efa mamakivaky ny taona vaovao isika amin’izao kanefa araky ny averimberintsika matetika na dia tsy anisan’izao tontolo izao ny kristianina dia eo anivon’izao tontolo izao ho famantaram-pamonjena sy mizara ny manta sy ny masaka amin’ny vahoaka manodidina azy ka ankaravoana no iarahabako antsika jiaby oloaraiky amin’izao voalohany volana janoary fankalazana an’I Masina Maria Renin’Andriamanitra. Izao no andro ho firariantsoa, amin’ny maha Ray aman-dReny ny tena dia ankafaliana no angatahiko ny tsodranon’Andriamanitra ho antsika tsirairay. Ny vakiteny voalohany androany dia manamafy an’izany ao amin’ny bokin’ny fanisana “Hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo. Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie ny Tompo. Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie ny Tompo”.......[.....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny