FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY - FAHADIMY PAKA - TAONA B

 

« Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be » (Jo. 15: 5)

Ry Kristianina havana, araky ny efa voalazantsika isaky ny Alahady amin’izao Paka izao dia mampisongadina ny toetran’i Jesoa anankiray ireo vakiteny atolotry ny Eglizy. Tamin’ny Alahady lasa teo dia i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara no nankalazaintsika, tamin’ny Alahady fahatelo dia I Jesoa Mpiara-belona amintsika, ny Alahady faharoa dia I Jesoa Endriky ny Famindrampon’Andriamanitra eo anivontsika, ny Alahady ny Paka I Jesoa Aina Vaovao. Amin’izao Alahady fahadimy ny Paka izao dia I Jesoa Foto-boaloboka, I Jesoa Voaloboka ary isika no rantsany. Io no asongadin’ny vakiteny androany. Isika no rantsana, sampana mitoetra sy mifikitra aminy, mifanaraka tsara amin’ny fiomanantsika amin’ny filankevitra pastoraly ity Alahady fahadimy ity....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY - FAHA EFATRA PAKA - TAONA B

“Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny ahy Aho no fantatry ny Ahy” (Lk 24, 35-48)

Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Paka tanteraka isika ary raha mahatsikaritra isika mba hivelomantsika izany hafaliana lavorary vokatry ny fiadanana atolotry ny Paka amintsika izany ka itoerantsika ao amin’i Jesoa sy itoeran’i Jesoa tafatsangan-ko velona ao amintsika dia atolotry ny Eglizy isaky ny Alahady ny toetran’i Jesoa ho fankaherezana antsika hiroso lalindalina kokoa eo anivon’ny fiainana hizara ny hafalian’ny Paka .....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY - FAHATELO PAKA - TAONA B

« Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo » (Lk. 24: 46)

Tamin’ny Alahady lasa isika nibanjina ny vokatry ny Paka dia ny famindrampon’Andriamanitra miara-belona amintsika tsy iza fa i Jesoa Kristy izay nizara ny fiadanana vokatry ny famindrampon’Andriamanitra. Amin’izao Alahady fahatelo ny Paka izao dia any Vohipeno ny fo amam-panahintsika tsirairay, miombona amin’ny diosezin’i Farafangana, miombona amin’ny Eglizy eran’i Madagsikara, miombona amin’ny Eglizy eran-tany mankalaza sy misaotra an’Andriamanitra satria mibaribary eo anivon’ny fiainantsika tokoa izany famindrampon’Andriamanitra izany. Ny voninahitr’Andriamanitra no ankalazaintsika amin’ny fanambarana olontsambatra an’i Ramose Lucien Botovasoa. Manana modely isika izao ka miara- misaotra sy mankalaza ny famindram-po sy ny fitiavan’Andriamanitra nasehony tamin’ny alalan’olontsambatra......[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY - FAHAROA PAKA - TAONA B

« Ho aminareo anie ny fiadanana ! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa » (Jo. 20: 21)

Nandresy ny ratsy rehetra i Jesoa ary ny fahafatesana no farantampon’ny ratsy. Eo anivontsika nefa i jesoa nandresy fa tsy hoe lavitra antsika, miara-miaina amintsika izy ary indrindra mitondra ny ainy izay aim-baovaon’ny Paka ho antsika. Izany no tian’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amin’izao Alahady faharoa fankalazana ny Paka izao. Mahery tokoa ny finoana ka mitondra fanantenana ary mamelona ny fitiavana mba hahafahantsika mivelona ny fiadanana andrandraintsika, sy ny hasambarana tiantsika ho tanteraka ary izany no ambaran’i Jesoa isaky ny miseho izy rehefa tafatsangan-ko velona
“ Homba anareo anie ny fiadanana”. Fiadanana tsy araky ny hevitr’izao tontolo izao .....[........]

ALAHADY PAKA - TAONA B - 2018

« Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy » 

Ankafaliana sy ankaravoana  omban-tsodrano no iarahantsika mianakavy midera sy manome voninahitra an’Andriamanitra amin’izao Paka ankalazantsika an’i Kristy tafatsangan-ko velona izao. Paka fandalovana araka ny naverimbreintsika matetika nandritra ny karemy fiomanantsika amin’ny Paka, “Ady sy Dia” no làlana nandalovantsika, “Ady” amin’ny ratsy dia ny fahotana  manapotika ny fiainantsika ary “Dia” mankany amin’ny fiainana miaraka amin’i Kristy. Tonga inty ny fotoana, nandresy tamin’ny ady i Kristy, niara-maty taminy amin’ny fahotana isika dia niara-mitsangana aminy koa amin’ny fandresena ny ratsy ka miditra amin’ny fiainam-baovao.....[.........]