MANANA FAHARETANA ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO
Ry Kristianina havana, sahiran-tsaina tokoa isika mianakavy miatrika izao areti-mandoza izao. Izao indrindra anefa no tsy tokony hiraviravy tanana isika. Izao indrindra tokoa no tsy maintsy anaovantsika vavaka totoafo mba hihavao tokoa ny fo amam-panahintsika fa indrindra ny fon’ny EOV MISIONERA REHETRA MBA HO TABERNAKLA VELONA TOKOA isika miatrika izao fahavalo tsy hita maso mandripaka izao. Tsy fanorenana fotsiny no handrasantsika fa Pantekôty vaovao. Fihavaozana lavitry ny herisetra, ny hetraketraka mpanapotika ka samy hitafy ny Fanahy Masina. Mpanavao isika ka hiroso amin’ny fametrahana ny rafitra hirosoantsika amin’ny fampandrosoana mampivelatra ny mahaolona sy olona manontolo ivelomantsika ny maha-kristianina antsika hahatonga ny diosezintsika ho diosezy maitso, ho diosezy feno fanantenana niany, anio tokoa ny ho avy fa tsy rahampitso, tsy amaray: TARANAKA MANORINA FA TSY SANATRIA TARANAKA MANDRODANA.....[.......]
Tsindrio to hihaino ny toriteny