NY TOKY FITAKA, FA NY ATAO NO HITA
Ry Kristianina havana, miditra amin'ny lalindalina kokoa amin'ny fandalinam-pinoana isika izay hitondra antsika ho Kristy mpiara-belona amin'olona hitondra ny hafalian'ny vaovao mahafaly sy hizara ny vaovao mahafaly eo amin'ny mpiara-belona ka ho vavolombelona manambara ny marina, mizara ny fifankatiavana, hampanjaka ny fihavanana marina ka hahatonga ny fiaraha-monintsika hitoeran'ny fiadanana ka ho lavitra antsika ireny hetraketraka sy fanapotehana ireny fa ho taranaka mamokatra voatsara isika ary ho taranaka manorina Eglizy velona ka ho vavolombelona eo anivon'ny fiaraha-monina tokoa. Amin'izao Alahady mamarina ny volana septembra, alahady ny lahika izay efa nanaovantsika fanentanana tamin’ny alahady lasa teo. Alahady ihany koa mampiditra antsika amin’ny volana oktobra volana oktobra izay ibanjinantsika manokana’i Masina Maria , oktobra voalan’ny Rozery. Manasa antsika hiombona amin’I Masina Maria mba ho tena départ vaovao entanin’ny Fanahy Masina ka ho Pantekoty Vaovao ho antsika tokoa ny taompikatrahoana pastôraly.....[........]